Hymne National Malagasy
1 Ry Tanindrazanay malala ô Ry Madagasikara soa. Ny fitiavanay anao tsy miala, Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Refrain
Tahionao ry Zanahary Ty Nosindrazanay ity Hiadana sy ho finaritra He sambatra tokoa izahay.
2 Ry Tanindrazanay malala ô Irinay mba hanompoana anao Ny tena sy fo fanahy anananay zay sarobidy sy mendrika tokoa.
3 Ry Tanindrazanay malala ô Irinay mba hitahiana anao, Ilay Nahary izao tontolo izao No fototra ijoroan'ny satanao.