<FETINAO RY RENY>
Fetinao ry neny ,
Tsy haiko ny hiteny,
Hilaza ny fitiavako,
Mivahotra ny vavako.
Fony aho nandady,
Mbola nila baby,
Fony zazakely,
Teo ianao ry neny !
Raha izaho narary,
Naratra, na nijaly,
Ny feonao nandrotsy,
No hany nampitosy.
Rehefa ady mafy,
Sy rivotra mifafy
Dia toa mandalo ireny,
Vao tonga ianao ry neny !
Ka na lehibe aza aho,
Dia mbola ianao,
No antsoiko, hilazako,
Ny olana ao an-tsaiko.
Fetinao androany,
Averiko eto ihany,
Fa to ny fifaliako,
Satria ianao no tiako !
- Michaël (25/05/03)